Vokatr’izay dia niakatra ny sadaran-dalana, tsy maintsy mandeha lakana indro ireo mpandeha. Nefa mbola mandeha kalesy koa, rehefa avy eo maka Bajajy indray mandeha izay vao afaka mitady ny fiara mpitaterana hafa”transbordement”, izay vao tena manohy ny dia. Etsy andaniny, manahy mafy ireo mponina eny an-toerana amin’ny mety haharava ny tanàna noho ny fiakaran-drano amin’io tanànan’i Marivorahona.
Efa roa herinandro mahery izay nahatapaka an’ity lalana RN6 mampitohy an’i Diégo Ambilobe ity nefa hatramin’izao tsy mbola nahitana mangirana na vahaolana na iray aza.
Mitantara ny zavatra hitany sy niainany ity ray aman-dreny iray ity, izay monina ao an-tampon- tanànan’ Ambilobe no sady mivezivezy amin’ity lalana RN6 ity.
Raha ny zava-misy hoy Danielson Arthur, kely dia kely ny fanantenana ny mbola hitohizan’io lalana Marivorahona – Ambilobe sy Diego io, satria efa maro loatra ny fahatapahana hoy izy. Na dia io tetezana io ihany no tohizana ka raha mbola fefiloha na digue no hatao, dia mbola hitarika fahatapahan’ny tetezana ihany izany, ho izy.
Mbola nanazava indray ity ray-amandreny ity mila ampanarahana tata-drano tsara ny rano Marivorahona, satria ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia mamaky amin’ny renirano Mananjeba ny rano avy amin’io rano ben’i Marivorahona. Ka lasa mamakivaky ny tanàna ny mponina manodidina. Indrindra fa rehefa misy ny orana tsy ankiato na misesisye be ireny. Ka izay rehetra izay mitondra safo-drano amin’ny tranondreo mponina. Tsy vitan’izay ihany koa fa ny rano be mivatravatra manimba ny lalana koa.
Koa manao antso avo amin’ireo mpitondra fanjakana , tena hijery akaiky ny zava- misy any an-toerana, satria sahirana ny mponina ao an-toerana, ary fijaliana koa hoan’ireo mpandeha
Amin’izao fotoana, dia mandany saran-dalana 145 000Ar raha 75 000AR teo ny saran-dalana teo aloha. Misy fianakara be ny saran-dalana, satria raha Diego mandeha Marivorahona dia tsy maintsy miampita lakana, afaka kelikely dia handeha lakana indray mandeha. Avy eo tonga amin’ny toerana iray atao hoe “radiet” dia tsy maintsy mandray kalesy. Rehefa avy eo dia mandray bajajy ndray mandeha izay vao afaka manao “transbordement”.
Nilazay izany koa Andritsitohaina Liva tomponandraikitra iray amin’ny kaoperativa KOFMAD, fa sahirana amin’ny lalana hoy izy. Satria ny mpandeha miala amin’ny Gare routière any Antsiranana maraina dia tonga any Ambilobe ny alina. Nefa lalana tokony hatao eo amin’ny 5 ora eo ihany, miampy nyfiakaran’ny saran-dalana hoy izy, dia manahirana sady mbola tsy fantatra rahoviana no handraisana vahaolana.
C.Angeline