Vehivavy iray mitonona ho mpanolotsaina ny Filoham-pirenena no mampitaraina olona maro izay milaza fa voasoloky tamin’ny resaka fandraharahana tany natao tamin’ity ramatoa ity. Fifampivarotana tany sy fikarakarana taratasy momba ny tany no fototry ny olana satria nahazoan’io Ramatoa io vola be 20 ka hatramin’ny 50 tapitrisa ariary no voalaza fa azony tamin’ny tsirairay tamin’ireo mpitaraina. Misy tamin’ireo olona no olona nividianan’ity Ramatoa ity tany teny amin’ny faritra Alasora iny. Eo ihany koa ireo milaza fa nivarotany tany, ankoatra ireo izay nilaza fa nampikarakara taratasin-tany azy. Tsy misy tanteraka avokoa anefa ireo ka nahatonga ireto olona ireto hanantona ny mpanao gazety mba haneho ny alahelony amin’ny manjo azy ireo. Tamin’izany fotoana izany dia nitonona ho mpiara-miasa akaiky amin’ny vadin’ny Filoham-pirenena ravehivavy ka tsy sahy nitory na nanenjika azy ireo olona ireo fa niezaka nifampiraharaha sy nitady izay marimaritra iraisana hatrany. Nampiasa fiarakodiam-panjakana avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika rahateo ity vehivavy ity tamin’izany ka naharesy lahatra ny rehetra. Ankehitriny, Tapa-kevitra ireto andian’olona mitonona ho voasoloky ireto fahanamafy ny fanenjehana ity Ramatoa ity amin’izay satria efa rava ilay Fitondra izay nolazainy fa niasany teo aloha. Koa miantso ny fitondrana mahefa ankehitriny izy ireo mba hijery akaiky izao raharaha izao mba hitandroana ny fahadiovan’ny Fanjakana sy ho fampiharana ny tena tany tandalàna. Na izany aza anefa, milaza ho manahy be ihany izy ireo satria toa mifandray sahady amin’izao Fanjakana mijoro izao ity olona manandraharaha amin’izy ireo ity. “Tsy fantatray na marina izay lazainy na fahaiza-miresaka fa atahoranay ihany izy satria mivezivezy malalaka amin’ireo toerana falehan’ny mpitondra ankehitriny tokoa izy”, hoy ny solontenan’ireo olona voarirarira ireo.
T.M.