- Publicité -
mardi, janvier 13, 2026
AccueilFaits-DiversAnkadivoribe : Jiolahy 06 nanafika tokantrano, olona iray naratra ny bala

Ankadivoribe : Jiolahy 06 nanafika tokantrano, olona iray naratra ny bala

Tokantrano iray no  lasibatry ny asan-dahalo tao amin’ny kaominina Ankadivoribe ny alin’ny alakamaisy hifoha ny zoma teo. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena, jiolahy enin-dahy mirongo basim-borona sy zava-maranitra no nanatanteraka ny fanafihana tao amin’ny tanàna atao hoe Ambatomanoina. Nanapoaka basy ireo jiolahy rehefa niditra an-keriny tao amin’ity tokantrano ity. Vokany, naratra ny bala teo amin’ny feny ny raim-pianakaviana. Voaroba ny vola 2 tapitrisa ariary sy ny solosaina miisa roa. Taorian’ny fanafihana dia lasa nitsoaka ireo mpanao ratsy. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny polisy avy ao Anjozorobe nampian’ireo zandary avy ao Ambatomanoina nanao ny fanarahan-dia raha vao naharay antso. Tsy mbola misy tratra anefa ireo jiolahy hatreto.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici