- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMananjary : Sinoa mpitrandraka volamena, maty novonoin’ny jiolahy

Mananjary : Sinoa mpitrandraka volamena, maty novonoin’ny jiolahy

Sinoa iray 45 taona antsoina hoe : Wu-You Xin , izay mpitrandraka volamena ao Malazamasina,  any amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambohimiarina II, distrikan’i Mananjary, no maty nokapain’ny jiolahy ny famaky teo amin’ny lohany sy voatsindrona antsy teo amin’ny tànany, nandritra ny fanafihana niseho afak’omaly misasaka  alina, tokony tamin’ny 12 ora sy sasany. Araka ny tati-baovao voaray, fito lahy nitam-piadiana ary nisaron-tava ny telo, izay voalaza fa nandeha lakana no nanafika teratany sinoa miisa fito miampy gasy mpiasan’izy ireo dimy, natory ambony sambo misy ny milina fitrandrahana volamena ao anaty renirano. Tao anaty fifandonana, naratra ny jiolahy iray saingy navotan’ ireo namany nentin’ izy ireo nitsoaka tamin’ny lakana nentin’ ireo mpanafika. Raha ny fantatra, dia tsy nisy zavatra very tamin’ity fanafihana ity. Vao nahazo fampandrenesana moa ny zandary, dia nidina ifotony nijery ny zava-nisy sy nanokatra fanadihadiana avy hatrany mikasika ity heloka bevava ity.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici