- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Avadika ho rarivato ny lalana ao Atsinanantsena

Antsirabe : Avadika ho rarivato ny lalana ao Atsinanantsena

Isan’ny lalana be mpampiasa sy ivezivezen’ny olona maro eto Antsirabe ny lalana Atsinanantsena manamorona ny hopitaly  be,  na CHRR . Efa an-taonany maro izy no potika sy ratsy ary mazàna vato kely no anapenana azy, na ireny tip top ireny, saingy vao mirotsaka ny orana dia miverina ny lavadavaka ary tena manano sarotra tokoa amin’ny fifamoivoizana.

Ho afa-pasahiranana ny mpampiasa lalana satria havadika ho rarivato ( pavet) ny lalana mirefy 600 metatra eo . Efa nanomboka ny alatsinainy  28 janoary maraina teo ny asa, ary roa volana no haharetan’izany raha ny fanazavana nomen’ny ben’ny Tanana Paul Razanakolona.   Nambarany fa volan’ny kaominina madio no hanamboarana io lalana io fa misy kosa ny fiara miasa amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ary ny injenioran’ny kaominina. Isan’ny tsy ahavitana ny lalana eto Antsirabe ny fahalafosan’ny fanamboaran-dalana, raha ny nambaran’ny ben’ny tanana hatrany, saingy ezahina ho izay tratra na dia fanotofana ihany aza no atao mba tsy hitaran’ny lavaka.

Isan’ny nanome tantsoroka ihany koa ny prefet an’ Antsirabe amin’ny alalan’ny BNGRC nanolotra fitaovana. Raha ny fanazavana hatrany dia hanomboka amin’ny volana ambony ihany koa ny fanamboaran-dalana eny Mahazoarivo, satria efa misy tetibola 500 tapitrisa nomen’ny FER.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici