- Publicité -
vendredi, août 1, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBrieville  Tsaratanàna : Mpanao gazety nanaovana herisetra, miantso ny manam-pahefana

Brieville  Tsaratanàna : Mpanao gazety nanaovana herisetra, miantso ny manam-pahefana

Tranga nampalahelo sy nahamenatra no nataon’ireo mitonona ho sendikalista ao amin’ny orinasa Kraomita Malagasy ny tolakandron’ny 23 Janoary 2019 lasa teo ,  satria nosakanana ny fiara nandehanan’ny mpanao gazety na dia teo amin’ny lalam-pirenena faha- 33 hiditra ny sy mivoaka ny tananan’i Brieville aza  no nandehanana  ary tsy navela haka sary ireo sakan-dalana nataon’izy ireo   fa avy hatrany dia ny fisintonana ny fitaovam-piasana (camera) , sy ompa ary fanambaniana no natao  satria nanambara ny sasany fa mpanao gazety sandoka  ireo na dia efa nisy famantarana ny fiara nandehanana,   ary efa samy  nitondra  “ Badge” sy akanjo famantarana (Presse) aza ireo mpanao gazety ireto, voasinton’ireo mpanao gazety ihany ny fitaovany satria tsy lavitr’io toerana io no nisy ny mpitandro ny filaminana izay nandray andraikitra avy hatrany ,fa  raha tsy izany tsy fantatra ny nahazo ireto mpanao gazety ireto. Araka ny fantatra moa dia namita asa  fanangonam-baovao tany amin’ny faritra Brieville sy Manakana iny  izay toerana nisian’ny fakana an-keriny ilay mpitsabo mpanampy ireo mpanao gazety telo mirahalahy , dia nijanona tao Brieville rehefa vita ny asa tany Manakana ,ka niandry ny fahatongavan’ny Tale jeneralin’ny Kraomita Malagasy izay hihaona  amin’ireo mpitokona ao amin’ity orinasa ity, ny Alakamisy  24 Janoary 2019, kinanjo izao tratry ny herisetra  mahatsiravina izao . Miantso ny fandraisana andraikitry ny manampahefana ny rehetra amin’izao tranga izao ary efa nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro ny filaminana moa ireo mpanao gazety ireo.

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici