- Publicité -
samedi, août 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVangaindrano : Nidina an-dalambe ny mpanjifan’ny Jirama leo delestazy

Vangaindrano : Nidina an-dalambe ny mpanjifan’ny Jirama leo delestazy

Noho ny tsy fisian-jiro nanomboka afak’ omaly naraina, vokatry ny fahasimbana milina mpihary herinaratra sisa nandeha teo indray, dia tezitra ny mpanjifan’ny Jirama ka nidina an-dalambe nilanja sora-baventy. Manoloana ny tsy fitsian-jiro, dia sahirana fatratra ireo manao asa tena, ary mikatso tanteraka ny asa miankina amin’ny herinaratry ny Jirama. Nanampy trotraka ny delestazy nisy teo aloha ihany koa, raha ny tati-baovao voaray, ny tsy fahampiana gazoaly. Teo anatrehan’ity hetsi-bahoaka ity, dia nisy ny dinika niarahan’ny OMC any an-toerana, izay notarihin’ny Lehiben’ny distrika sy ny solontenan’ ireo mpanao fihetsiketsehana nentina nikatsaham-bahaolana, ka nirava ny fitokonana taorian’ny fifanazavana, satria nisy gropy iray novelomina omaly,  ary ifandimbiasana ny fahazoana jiro. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia miandry teknisianina avy any Fianarantsoa sy fahatongavana gropy amin’ny faran’ny herinandro, vao mety hiverina amin’ny laoniny toy ny teo aloha ny famatsiana herinaratra ao Vangaindrano.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici