- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFanalam-baràka tamin’ny facebook : Mitantara ilay fianakaviana izay niharan’izany

Fanalam-baràka tamin’ny facebook : Mitantara ilay fianakaviana izay niharan’izany

« Manahy ny ainay izahay. Ny antony dia satria nisy ny fandrahonana taminay taorian’ny tsaho izay naely tamin’ny facebook » raha araka ny fanazavan’ilay raim-pianakaviana izay navoaka sary ary nalana baraka. Olona an’arivony no nahita izany ary nisy ny nahita avy hatrany fa fanalam-baràka amin’ny zavatra tsy mitombina izany. Nisy koa anefa ireo tsy dia lasa lavitra ny fisainany ka dia nanasoketa sy nanaratsy ilay olona ary nandrahona azy. Vokatr’izany dia na ilay zaza vao enin-taona aza dia voatery najanona tamin’ny fianarany mba ho fiarovana azy. « Maizina tanteraka tao anatin’ny indray mipi-maso ny fiainanay ary na ny fianakaviana sy ny mpiara-miasa dia tsy nitsahatra ny niantso sy nanontany. Ny fiarahamonina koa dia efa nanomboka hafa ny fijeriny » raha ny fanazavan’ny voakasika ihany. Tsy niandry ela izy ireo fa ny harivan’ny nivoahan’ilay tsaho tamin’ny facebook ihany dia efa tonga teny amin’ny polisy tetsy Anosy. Nangataka ny mba hiarovana ny ainy izy ireo. Ny ampitson’iny no tena nipetraka ny fitoriana. Manao ny fanadihadiana rehetra ary mitady ny olon-dratsy izay nanely ilay tsaho tamin’ny tambajotra sosialy ankehitriny ny sampana cybercriminalité eo anivon’ny polisim-pirenena. Mitodika any ny mason’ny olona satria tsy rariny loatra ny zava-niseho ary mendrika ny hosaziana mafy ny tomponantoka mba ho tsapany fa fiainan’olona sy fianakaviana iray mihitsy no potika noho ny nataony.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici