Tsy misangy. Tovolahy iray, tompona « compte fake » tao amin’ny facebook no voasambotry ny pôlisy misahana ny resaka « cybercriminalité » tetsy Tsaralalàna ny talata lasa teo. Araka ny fanazavàna azo dia nikasa ny hanaparitaka sarina tovovavy iray niboridana nalefa tany aminy izy, raha tsy manaiky izay zavatra notadiaviny ity tovovavy ity.
Raha ny zava-nitranga, araka ny fampitam-baovao nomen’ireo mpitandro filaminana dia « nampiasa sarin’olon-kafa entina miserasera ato anaty tambajotra sosialy » ity lehilahy ity. Milaza izy fa « mpiasan’ny « finance » tamin’izany ». Rehefa nampiresaka tovovavy iray tao ary izy dia voalaza fa latsa-pitiavana azy ity farany, eny fa na dia mbola tsy nihaona azy izy ireo. « Nangataka fihaonana tamin’ilay tovolahy hatrany moa ilay tovovavy fa milaza ho tsy afaka hatrany noho ny asany ity farany . Tao anatin’izany anefa dia « nasain’ity tovolahy nandefa sary mitanjaka aminy ilay tovovavy ka rehefa resy lahatra ity farany dia nandefa izany tany aminy ». Nandeha anefa ny fotoana dia nilaza ity tovolahy fa «efa manambady izy ary tsy afaka miaraka amin’ity tovovavy ity intsony ka nomeny « compte » iray hafa izay misy ny tena sariny ary nolazainy fa io « compte » hafa io no afaka miaraka amin’ilay tovovavy. Tsy nanaiky mihitsy moa ity tovovavy satria tsy tiany hono ilay lehilahy amin’ity « compte » hafa ity ». Nanomboka teo tamin’izay ny filàna kisa nataon’ilay tovolahy ary tonga hatramin’ny fandrahonana mihitsy aza izany. « Rehefa tsy manaiky hiaraka amin’ilay lehilahy tamin’ilay « compte » hafa nomeny ilay tovovavy dia haparitany ato anaty tambajotra ny sarin’ilay vehivavy ». Teo anatrehan’izay dia nametraka fitairanana avy hatrany teny anivon’ny pôlisy ilay tovovavy. Nanomboka teo ny fanadihadiana sy ny fikarohana ilay lehilahy. Tsy ela dia fantatra ary nosamborina teny amin’iny faritra Tsimbazaza iny ny lehilahy. Rehefa natao ny famotorana azy dia niaiky tokoa izy fa nikasa ny hanaparitaka io sary io raha toa ka tsy nanaiky azy ilay tovovavy.
Ireo tompon’andraikitry ny filaminana moa dia tsy mitsahatra ny manafatra ireo mpampiasa itony tambajotra sosialy itony, indrindra fa ireo tanora mba ho mailo hatrany. Fa indrindra ny tsy handefasana sary hafahafa amina olona tsy fantatra.
m.L