Tovolahy iray indray no voatsatoka antsy, teny amin’iny faritra Andavamamba iny, ny faran’ny volana teo, rehefa nangatahana rangahy iray sigara ary tsy nanome. Vokany namoy ny ainy noho ny ratra nahazo azy ilay tovolahy.
Tsy niandry ela dia voasambotry ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy ilay rangahy mpamono olona, ary niaiky ny heloka vitany tokoa. Raha ny zava-nitranga tokoa mantsy dia handeha hamonjy fodiana ity rangahy 42 taona ity, teny Andavamamba. « Nifanena tamina tovolahy roa teo an-tananany izy ary niangavy ny iray tamin’ireo roalahy mba hanatitra azy » Ny andro rahateo efa alina tamin’izany ary izy araka ny vaovao azo dia « efa nahazoazo toaka ». « Nanaiky nanatitra ilay rangahy ny iray tamin’ireo roa lahy. Rehefa tonga tany an-tranon’ilay rangahy izy ireo dia nangatahan’ity farany sigara ». Tsy nisy sigara anefa tany amin’ity tovolahy tamin’io fotoana io ary nandà ny fangatahan’ilay rangahy ranamana. Nanomboka nila vaniny teo amin’izay ity rangahy ity ary niafara hatramin’ny fikasihan-tanana sy tsatoka antsy mihitsy izany. Raha ny fantatra dia dian’antsy tsy latsaky ny dimy no hita tamin’ny vatan’ilay tovolahy. Nandriaka ny rà. Nitolefika ity lasibatra ary namoy ny ainy vokatr’izany. Rehefa vita ny asa ratsiny dia nobatainy tany an-tranony ny fatin’ilay tovolahy. Taorian’izay no « niverina tany amin’ny naman’ilay lehilahy nanatitra azy ilay rangahy ary nolazainy fa maty ny namany ». Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ity tovolahy namany ary notazominy tsy hihetsika teo kosa ilay rangahy, izay efa nahiahiany ho nahavanon-doza. Nosamborina avy hatrany ity farany. Natao ihany koa ny fisavana ny tranony ary mbola hita tao ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy novonoiny sy ny antsy namonoany azy, hoy ny fanazavana azo.
Efa very tanteraka tokoa ve ny fanahy maha-olona amin’izao ? Sanatria mantsy toa mandeha ho azy toy ny mamono akoho ankehitriny ny mamono olona. Ary na antony faran’izay tsy misy dikany, toy ny hoe mamalan-kira anaty « karaoke » na ity farany, tsy fanomezana sigara dia ampy nandatsahan’aina. Mila fiheverena.
m.L