- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversMarais Masay : Fatim-behivavy natsingevan’ny rano

Marais Masay : Fatim-behivavy natsingevan’ny rano

Ny iray natsingevan’ny rano ary tsy mbola fantatra loatra ny tena nitarika ny fahafatesany. Ramatoa iray izy io ary hitan’ny olona teo  Marais Masay, omaly vao maraina ny razana. Tsy nisy   very teny aminy raha ny tsikaritry ny mpitandro ny filaminana. Mbola teny ny findainy ary koa ny vola tao anaty fitoeran’izany. Nampiasain’ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ilay finday mba hiantsoana izay laharana faramparany tao anatiny, saingy tsy nisy olona namaly izany. Nanokatra fanadihadiana omaly ihany ny tompon’andraikitra. Ny faharoa kosa indray, dia tetsy Ankorondrano, teo Tsaramasay. Mponina eo an-toerana ihany no hita natsingevan’ny rano vao maraina koa. Ny farany dia tetsy Talatamaty, ramatoa efa lehibe iray no hita tao anaty korontan’entana ary efa tsy nisy aina intsony. Tsy mbola misy voamarina avokoa na heloka bevava na koa fahafatesana natoraly no nanjo ireo olona ireo.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici