Rehefa nokarohina fatratra nandritra ny fotoana ela, dia tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny, tao Tsimahavaobe Morondava, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy, tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany naraina, i Tody, jiolahy nitam-basy nikoizana amin’ny vaky trano sy vono olona, nandritra ny taona maro, tany amin’ny Faritra Menabe sy Melaky. Rehefa nosamborin’ny mpitandro filaminana ity jiolahy rain-dahiny amin’ny halatra fitaovana informatika ity, dia nitifitra tamin’ny basy vita gasy teny aminy, ka voatery niaro tena nampiasa ny fitaovana teo am-pelan-tanany ny Polisy, ary maty voatifitra i Tody, raha mbola karohina fatratra atao hazalambo kosa ny namany tafaporitsaka. Araka ny tati-baovao voaray, dia avy any Ankilivalo, Distrikan’i Mahabo ity jiolahy sahabo ho telopolo taona eo ity; izay efa nigadra noho ny fanafihan-jiolahy nitam-piadiana hatrany, ary mampiasa ody gasy fonoka mahery i Tody sy ny ekipany mandritra ny asa ratsiny, ka izay trano tafihan’izy ireo, tsy mandre ny ambonin’ny tany ny olona ao, fa renoky ny torimaso.
Eric Manitrisa