- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatoboeny : Avotra ilay vehivavy nalain’ny dahalo an-keriny

Ambatoboeny : Avotra ilay vehivavy nalain’ny dahalo an-keriny

Ny alahady hariva lasa teo no avotra soa aman-tsara, tsy nisy fandoavam-bola ilay vehivavy teratany karàna nalain’ny dahalo an-keriny tao Ankijabe, Ambatoboeny, ny alin’ny faran’ny volana janoary lasa teo.

Araka ny tati-baovao avy amin’ny zandamariam-pirenena, dia nisy avy hatrany ny hetsika nataon’izy ireo taorian’ny fandrenesana ilay tranga, ary samy niezaka nanao izay vitany avokoa ireo zandary teny amin’ny manodidina, eny fa na dia ireo teny am-pisafoana vohitra hafa aza. Nisy araka izany ny fanarahan-dia nataon’izy ireo tao anaty alan’Ankarafantsika, izay toerana fantatra fa nitsoahan’ireo dahalo, nitondra ilay vehivavy. Dimy kilaometatra miala ny tanànan’i Befotoana, ao amin’ny fokontany Andranofasika, distrika Ambatoboeny no hitan’ireo mpanara-dia ilay vehivavy. Niezaka ny nandositra hatrany moa ireo olon-dratsy nitondra ilay hazany, saingy tsy namela nahazo ihany koa ireo zandary avy ato aoriana niezaka nanara-dia hatrany. Hany herin’ireo dahalo, hoy hatrany ny fampitam-baovao, dia namotsotra ilay olona nalain’izy ireo an-keriny. Avotra soa aman-tsara ity farany, na dia efa reraka mafy aza, saingy fotsiny hoe tsy naratra. Raha tsiahivina dia fivarotan’ity ramatoa ity no notafihan’ireo dahalo tamin’io fotoana io. Notifirin’izy ireo rangahy vadiny ary io nalain’izy ireo an-keriny io ramatoa.

Mirongatra tanteraka mihitsy ity resaka fakàna an-keriny ataon’ny dahalo ity any amin’iny faritra Betsiboka iny. Mbola ny faramparan’ny volana teo ihany izao, dia vehivavy iray ihany koa no lasa tao amin’ny kaominina Betrandraka, distrika Tsaratanàna, saingy avotr’ireo zandary, tsy nandoavam-bola ihany koa izany. Marihana hoy hatrany ny vaovao, fa tsy mikely soroka ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana manao ny fanadihadiana mahakasika ity resaka ity. Porofon’izany ny fahatrarana ireo atidoha roa lahy, tao ambadik’izany fakàna an-keriny izany.  “Olona iray atao hoe Del no mbola miriaria any, saingy efa manakaiky ihany koa ny faran’ny dian’izy io amin’izao asa ratsany izao” hoy hatrany ny fanazavana azo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici