- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo RN4 : Kamiao voatafika, voakapa famaky ny « aide chauffeur »

Ambohidratrimo RN4 : Kamiao voatafika, voakapa famaky ny « aide chauffeur »

Nisehoana fanakanan-dalana indray tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Fiarabe, irony antsoina hoe « camion frigorifique » irony no lasibatry ny andian-jiolahy tamin’izany. Vokany, olona iray naratra mafy voakapa famaky ary vola mitentina eo amin’ny valo hetsy ariary teo no lasa.

Raha ny angom-baovao azo dia tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina tany ho any no niseho ity fanafihana teny amin’ny lalam-pirenena ity, teo amin’ny toerana antsoina  hoe Ambohimandroso, ao amin’ny kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo. Avy aty an-drenivohitra ary nikasa ho any Mahajanga ity fiarabe voatafika ity. Nony tonga teo amin’io toerana voalaza etsy ambony io dia sendra olana ara-teknika ka voatery nijanona. Mbola betsaka fiara mandalo ihany tamin’izany ora izany kanefa dia tsy nahasakana ireto bandy dimy lahy tsy hanatanteraka ny asa ratsiny izany.  Angamba koa mety hitan’ireo olon-dratsy fa tsy misy afa-tsy ny mpamily sy ny mpanampy azy ihany no tao anaty fiara ka dia nohararaotin’izy ireo. Raha teo am-pijanonana iny mihitsy mantsy ity fiara ity, no nanatona avy hatrany ireto andian’olon-dratsy ireto, izay voalaza fa nirongo basy sy zava-maranitra isan-karazany. Nandrahona tamin’ireo fitaovam-piadiana teny an-tanana ireo mpanafika, saingy mety niezaka nanohitra ireo roalahy tao anaty fiara. Hany ka tsy nisalasala nandratra ilay mpanampy ny mpamily tamin’ny alalan’ny kapa famaky ireo jiolahy. Raha vao nahita ny namany nitolefika sy naratra moa ilay mpamily dia nanaiky izay rehetra notenenin’iretsy farany. Lasan’izy ireo araka izany ny vola, ny firavaka ary izay zavatra sarobidy azo nentina tao anatin’ilay fiara. Taorian’izay kosa vao afaka niantso vonjy ireo voatafika, ary nitondra ilay naratra tany amin’ny toeram-pitsaboana. Efa nidina teny an-toerana nanao ny fanadihadiana moa ireo zandary avy ao amin’ny borigadin’i Mahitsy. Eo am-pikarohana ireo mpanafika ireto farany araka izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici