- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversSakoroka tao ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy : Mikomy ireo tatsambo voarohirohy tamina resaka « bois...

Sakoroka tao ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy : Mikomy ireo tatsambo voarohirohy tamina resaka « bois de rose »

Voatery nanapoaka basy ny mpandraharaha ny fonja io fiafaran’ny tolakandro io satria tsy mety manaraka fitsipika ireto sinoa ireto, tara koa ny mpanati-bary azy ireo ka nikomy izy ireo ny fiarafan’ny tolakndro teo, voatery niditra tamin’ny fandaminana sy fanapoahana basy ny mpandraharaha ny fonja ho fandaminana izany. nanaitra ny olona manodidina ny fonja izany satria maro ireo nihevitra fa nisy gadra nandositra indray tao amin’ny fonja, nefa ireto sinoa MD ireto no manakorontana sy mitarika fikomiana nampisy izao poa-basy tao amin’ny fonjaben’i Toamasina Ambalatavoahangy izao

Maditra tsy  manaraka ny fandaminana misy eo anivon’ny fonja fa manao ny lohany sy ditrany ireo 15 lahy tantsambo eo anivon’ny sambo “Flying” izay voarohirohy noho ny fikasana hanao trafikana andramena eto amintsika. Manahy noho izany ny mpandraharaha ny fonja eto Toamasina sao hiteraka korontana eo anivon’ny fonjaben’Ambalatavoahangy ny fanagiazana azy 15 lahy aziatika ireto, ka tokony handray fepetra amin’ny fanagiazana any Tsiafahy tahaka ireo teratany malagasy nanao trafikana andramena tratra izay efa ho roa taona tsy miroso tsy mihemotra ny mikasika ny antontan-taratasin’izy ireo na efa ny tana 2018 aza no nikatona izany antontan-taratasy izany miandry fitsarana, na efa nahazo fahafahana vonjimaika aza ny tompon’antoka roa fa ireo mpiray tsikombakomba no mboka hazonina ao Tsiafahy hatramin’izao. Tokony hatao toy izny ihany koa izy 15 lahy aziatika ireto. Araka ny angom-baovao hatrany dia miisa 17 ireto tantsambo ireto tamin’ilay sambo “Flying” saingy naratra ka notsaboina tao SAVA ny roa nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny mpiandry sisin-tany malagasy sy ity sambo aziatika “Flying” ity tamin’izany. Izy 15 lahy ihany no tratra farany fa nanaovana EVASAN, na famindrana fitsaboana, tao Antananarivo ireo roa naratra ary nanjavona tsy hita hatramin’izao raha ny fanazavana azo hatrany. Ahiana hiteraka fahasorenana ho an’ireo namany izany ka hitarika korontana ao Ambalatavoahangy koa. Hatreto aloha dia ny fikambanana teratany tena sinoa tarihan’ny tompon’ny trano fandraisam-bahiny “Ocean d’Or” Tanambao V no mikarakara azy ireo ao am-ponja amin’ny fanaterana sakafo. Hatreto ihany koa dia mbola ireto teratany aziatikza ireto no tratra fa ireo Malagasy mpibizna miara-dia amin’izy ireo tsy mbola voakasika na azo inoana tokoa aza fa fantatry ny fanjakana sy ny mpanao fanadihadiana tsara izy ireo noho antony ara-politika.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici