Tao anatin’ny folo taona teo izay dia tena nahazo vahana sy bizina nandeha teto amintsika ny fanafarana vary avy any Pakistan noho ny tsy fahampian’ny famboelam-bary malagasy, sy noho ny loza voajanahary samihafa nanimba ny vokatra anatiny. Nandritra izany fanafarana vary avy any Pakistan izany anefa dia lasa bizina be ho an’ireo mpanafatra ny vary sy hisiana fanadiovam-bola hafahafa ara-ketra ao anatiny, na eo anivon’ny fanjakana izany na eo anivon’ny ladoany.
Raha ny fantatra dia saika manodidina ny 2.000 kaontenera isan-taona no tonga eto amintsika mikasika ireo vary avy any Pakistan ireo, ka ny “Mama Afrika “, “Lava”, “Butterfly”, ary “African Safari” no tena malaza. Orinasa fito no tena mpisahana azy, izay saika orinasa misoratra amina teratany malagasy avokoa, saingy Ingahy M. Dodai avokoa no tompony, ary Ingahy B. Lal no tompon’ny orinasa hanafarana azy avy any Pakistan. Raha ny fanazavana azo dia saika vary efa natokana ho fihinan’ny biby any Pakistan ireo vary alefa aty Madagasikara ireo, izay vidiana eo amin’ny 260 na 290 dolara ny iray taonina amin’izany vary tsy fihinana miditra izany, raha manodidina ny 500 na 600 dolara ny iray taonina amin’ireo vary tsara fihinana any an-toerana. Tsy nandoavana hetra izany miditra ny ladoany malagasy, satria mandoa vola 1.000 dolara isaky ny kaontenera ireo mpandraharaha mandritra izany hialana amin’ny fisavana sy ny sakana, ary ampitomboina avo roa heny amin’izany ny misoratra amin’ny faktiora mba hahafahana maka tombony be loatra amin’ny famarotana azy eto amintsika. Miray tsikombakomba amin’izany ireo banky malagasy miara-miasa amin’ireo mpandraharaha Pakistanais ireto mandritra izany, satria mahazo 40% amin’ny vidin’ny vary mandritra ny famerenana izany ho vola vahiny any Pakistan izy ireo.
Voalazan’ny angom-baovao natao fa tena paradisan’ny fanadiovam-bola hafahafa ara-ketra momba ny vary hafarana avy any Pakistan mihitsy i Toamasina amin’izao, satria raha manafatra 100 koantenera ireo mpandraharaha dia 50 avy amin’izany vary tsara sy vary ratsy izay atao mitovy amin’ny vidiny anaty faktiora, ary misy ny fanafangaroana izany rehefa tonga eto amintsika, alohan’ny famoahana azy eny an-tsena amin’ny vidiny tokana, araka ny angom-baovao natao sy azo hatrany.
Malala Didier