
Niakatra fampanoavana omaly ilay raharaha izay nitorian’ny filohan’ny federasiona mpisolo toerana Doda Andriamiasasoa ny orinasan-gazety « La Gazette de la Grande Île ». Ny talen’ny famoahana, Lôla Rasoamaharo sy ny mpanao gazety izay nanoratra ilay lahatsoratra, Francis Aurélien, no nohenoin’ny mpitsara teo anivon’ny fampanoavana omay. Mahakasika lahatsoratra roa izay nivoaka tamin’ny volana novambra 2018 ka noraisin’ny filohan’ny federasiona mpisolo toerana ho fanalam-baràka azy ny votoatin’ny raharaha. Samy tonga teo ny roa tonta ary notronin’ny Holafitry ny mpanao gazety izany, satria mahakasika lahatsoratra an-gazety. Tapaky ny fampanoavana omaly fa hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fihainoana, satria tokony mbola halaina am-bavany eo anivon’ny mpitandro ny filaminana koa ny tonian-dahatsoratra. Miandry izany ho vita vao miverina eo anivon’ny fampanoavana ny raharaha. Fanindroany izany izao hatramin’ny fiandohan’ny taona no nisy mpanao gazety natolotra ny fampanoavana, teto amin’ny nosy. Isan’izany i Marino Rajaonina, mpanao gazetin’ny Radio Vanille ao Sambava. Ny azy dia fanohintohinana ny filaminana anatiny no vesatra nanenjehana azy rehefa voarohirohy ho nanaparitaka tsaho tamin’ny tambajotra sosialy. Toy ireny jiolahy atahorana fatratra ireny no nitondràna an’i Marino teny amin’ny fampanoavana tao an-toerana ary nanofàna fiara tsy mataho-dàlana manokana mihitsy.
D.R