- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversOrambe omaly : Difotra tanteraka ny teto an-drenivohitra !

Orambe omaly : Difotra tanteraka ny teto an-drenivohitra !

Totofy ihany ny tanimbary dia anoreno trano ary ario etsy sy eroa ny fako. Mizaka ny vokatry ny gaboraraka ankehitriny ny renivohitr’i Madagasikara ary ny orana izay tokony mba hanamando ny tontolo iainana ka hanamaivana ny rivotra maloto dia lasa olana mivantana ho an’ny mponina. Orana tao anatin’ny adim-pamataran’andro iray mahery dia efa dibo-drano tanteraka Antananarivo. Tsy vitan’izany aza fa nisy ny tany nihotsaka indray. Mba tsy teny Ampamarinana aloha izany fa kosa ny làlana pavé sasantsasany no nihotsaka. Tsy vitan’izany fa nisy zazalahy iray, mpianatra izay vao avy nanao fanadinana, no lasan’ny rano tetsy Andraisoro. Tetsy Besarety dia tapaka ny làlana noho ny fiakatry ny rano. Na ny mpandeha an-tongotra aza dia izay nanam-bola ihany no afaka niampita. Efa nisy mpikarama mibaby fotsiny amin’ny sarany arivo ariary. Izay tsy nanana izany dia tsy maintsy niandry ny rano nitsiaka vao afaka nanohy ny diany. Tetsy Tsaralalàna indray dia nisy olona nifaly nilomano mihitsy satria hatreny amin’ny fe ny rano. Tetsy Analakely koa dia tafiditra hatrao anaty fiara ny rano, samy nitaraina an’izany izay nampiasa fitaovam-pitaterana. Izany sisa ny sarin’Iarivo ankehitriny. Ela loatra ny gaboraraka sy ny tsy fanajàna ny tanàna ary ankehitriny dia samy mizaka ny vokany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici