Tsy sangisangy fa tena miasa ny mpitandro filaminana izay misahana ny heloka amin’ny aterineto. Mpivady no nidoboka am-ponja eny Antanimora omaly vokatry ny fampiasana ny tambajotra amin’ny tsy tokony ho izy. Nanompa mivantana ny filoham-pirenena no tena anton’ny fitoriana azy ireo. Nitondra ny anarana RFL ny tompon’antoka tamin’ny fanalam-baràka sy fanompàna. Mihoatra ny fefy ny fahalalahany ny miteny ary nivadika ho heloka izany. Mbola betsaka ny tsy mino fa efa vita tsara ankehitriny ny fijirihin’ny mpitandro ny filaminana ireo kaonty izay manaratsy ary efa betsaka izay nidoboka am-ponja izay. Na izany aza aloha dia saika ireo izy manompa manam-pahefana na olom-boafidy hatrany hatreto no midoboka fa ireo olon-tsotra izay misy manala-baraka kosa dia tsy mba misy tohiny matetika.
D.R