Namono olona ny oram-be izay nitranga ny alakamisy teo. Raha mbola nisy tsirim-panantenana kely ny havan’ilay zazalahy izay vao avy nianatra ka nandeha nody ary lasan’ny rano tao anaty tatatra tetsy Andraisoro ny alin’ny alakamisy, feno hakiviana kosa ny marainan’ny omaly raha nahita ilay zaza izay efa tsy nisy aina intsony. Tany Ankadindramamy ary tao anaty bizo no nahitàna ilay zaza. Nifatopatotra tamin’ny fako sy ny loto isan-karazany ny vatany izay nifandrimbonan’ny olona ny fanalàna azy tao amin’ilay bizo. Nitantara ny tena zava-nitranga ny fianakaviana : « nirava avy nianatra izy niaraka tamin’ny namany nody. Efa akaiky ho tonga ny trano dia niala ny kapany ka lasa nanenjika izany izy. Teo no nanomboka lasan’ny rano, nanomboka tamin’ny telo ora hariva teo izany ». Tsy nanafina ny alahelony tamin’ny mpamonjy voina koa ireo olona. « Tamin’ny enina ora hariva dia lasa ny ‘pompier’ rehefa nilaza fa tsy afaka miasa amin’ny alina. Nanatona mihitsy izahay ary nangata-panazavana momba izany satria mahatsapa fa misy mizana tsindrian’ila : nahoana ny teny Tsimialonjafy no miasa andro aman’alina ry zareo kanefa samy vonjy aina ihany no tanjona ? » hoy hatrany ny fianakavian’ny maty. Vokatr’izany rehetra izany dia ny fokonolona sy ny fianakaviana no nanohy ny fikarohana. Narahina avokoa ny lalan-drano ary tonga hatrany Ampanotokana. Tamin’ny iray ora maraina omaly no hita ny vatana mangatsiakan’ilay zazalahy. Raha tsy voafatotry ny fako teo Ankadindramamy izany dia efa narodan’ny rano tany marais Masay. Tsy voatery ho atoandro ny loza no miseho ary maniry arak’izany ny rehetra ny mba hanomezana fitaovana manara-penitra ny mpamonjy voina. Etsy andanin’izay, nisy lehilahy iray koa izay ahiana ho matin’ny ranobe tamin’ny alakamisy alina teo. Hita vao maraina tetsy amin’ny toerana antsoina hoe Tata-mena, etsy Ambohibao ny razana. Tsy nisy ratra raha ny fijerin’ny olona azy. Ho an’andrenivohitra izany dia lasa loza manambana ny orana ankehitriny. Tsy maharaka intsony ny lalan-drano izay sady tsetsin’ny loto no tsy nitombo an’isa mihitsy. Manginy fotsiny koa ny fanotorana tany etsy sy eroa. Fotoanan’ny fanarenana ifotony angamba izao mba tsy hahapotika tanteraka ity Iarivo ity.
D.R