- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Fanafihana « Cash point », telo lahy voasambotra

Anosizato : Fanafihana « Cash point », telo lahy voasambotra

Jiolahy telo no voasambotry ny zandary teny Anosizato teo am-piomanana hanafika « Cash point», ny alakamisy lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Olona tsara sitrapo no nandrenesan’ny zandary ny fisian’ireto jiolahy ireto nihaodihaody teny an-toerana. Nidina teny amin’ny manodidina avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Anosizato nampian’ireo avy ao amin’ny borigady Fenoarivo ka nametraka ny velam-pandrika hankanana izay fanafihana izany. Tsy nampoizin’ireo jiolahy mihitsy ny fisian’izay ka teo am-pikasana hitsofoka tao amin’ilay toeram-pivarotana izy ireo no nirotsaka tampoka ny zandary ka dia noraisim-potsiny ireto farany. Sarona teny amin’izy ireo ny basy fohy vita gasy iray nisy bala 9 mm (Lot SFI 74) ka dia nogiazana avy hatrany izany fitaovam-piadina izany. Nentina natao famontorana eny amin’ny borigadin’i Fenoarivo izy telo lahy ary heverina fa tokony hatolotra ny fampanoavana anio sabotsy.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici