Io indray. Taorian’ilay mpitsabo mpanampy dia mpiasam-panjakana iray hafa indray no lasan’ny dahalo an-keriny tany amin’iny distrika Tsaratanana iny ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo. Ankoatra ity sefo Zap ity mantsy dia olona telo hafa lasan’izy ireo ihany koa. Raha ny angom-baovao azo dia taorian’ny fanafihana mitam-piadiana nahery vaika niseho teo an-tanana ity fakàna an-keriny ity. Voalaza mantsy fa tranombarotra telo no indray nasesin’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Manodidina ny roapolo lahy any ho any ireo malaso tamin’io fotoana io ary samy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika avokoa. Manoloana izany moa dia mihorohoro ny olona ary tsy misy sahy mivoaka, hany ka manao izay danin’ny kibony ireo malaso. Vola aman’hetsiny no azon’ireo niaraka tamin’ny firavaka sarobidy isan-karazany. Tsy nionona loatra tamin’ireo anefa ireo olon-dratsy fa mbola nitondra olona nataon’izy ireo takalon’aina ihany tamin’ny fitsoahan’izy ireo. Nisy vehivavy tamin’izy ireo, nisy renim-pianakaviana, ary nisy olom-panjakana. Hatramin’ny omaly hariva, raha ny angom-baovao azo, dia tsy mbola nisy fitakiana vola nataon’ireo mpaka an-keriny. Efa manao izay ho afany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana nandray ny andraikiny avy hatrany taorian’ity fanafihan-dahalo miharo fakàna an-keriny ity. Fantatra ihany koa fa efa nisy ny fanarahan-dia natao.
m.L