Mbola tomefy olona ilay toerana. Nirefodrefotra ny basy ary dia tsy nisy sahy nihetsika intsony.
Nisehoana fandrobana narahana vono olona teny Isotry ny alarobia teo tamin’ny 12 ora latsaka fahefany antoandro. Vokany, lasan’ny jiolahy ny vola tanaty gony an’ilay mpivarotra sy vola an’olona mpanjifa saika hividy entana. Maty voatifitra teo amin’ny filahiany ny mpibata entana iray. Vehivavy roa koa no voatifitra ka ny iray voa teo amin’ny kibony ary mbola tsaboina, ny faharoa teo amin’ny tongony. Mpivarotra “friperie” ity voaroba ity. Tamin’ny ora nahatongavan’ireo jiolahy voalaza fa dimy, nitondra basy kalch sy PA, mbola maro ny mpividy entana. Voaambana basy ilay lehilahy teo ivelany ary avy eo niditra ireo jiolahy. Ny fitantaran’ireo nahita nanatri- maso no hilazana fa nirefodrefotra ny basy teny an-toerana ary tamin’izany no nahavoa nahafaty ilay tovolahy. Tetsy andaniny, nisy vehivavy niditra hividy zavatra voendaka. Toa namely anefa izy io ary dia voatifitra ihany koa. Ny zavatra niseho tao anaty tsena moa tsy fantatra marina, fa ny volabe efa lasan’ireo mpangalatra sisa no tsikaritra. Raha vao azon-dry zalahy izany dia lasa nandositra nihazo ny lalankely izy ireo ary tafavoaka tany amin’ny lalamby. Nisy andian’olona saika hanakana azy ireo, kanefa nisy vola naparitany ka dia variana nitsimpona izany ny rehetra. Efa tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana ary efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
r.s.