- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana tao Mahitsy : Namoy ny ainy omaly ilay rangahy voatifitra

Fanafihana tao Mahitsy : Namoy ny ainy omaly ilay rangahy voatifitra

Teo amin’ny kibony no notifirn’ireo jiolahy nanafika ny toeram-pivarotany. Namoy ny ainy tao amin’ny hopitaly Hjra omaly ilay rangahy na natao aza ny fomba rehetra nentina nanavotana ny ainy.  Raha hiverenana kely dia folo lahy mitam-piadiana raha kely indrindra no tonga nanafika ny toeram-pivarotana entana amin’ny ambongadiny tao Mahitsy. Tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva no nisehoan’ilay asaratsy. Mbola nahavita nandefa antso vonjy tamin’ny facebook ny fianakavian’ilay rangahy ary marobe  no nahita an’izany tao anatin’ny fotoana fohy. Avy amin’izany koa aza no nahafahan’ny olon-tsotra nampandre ny mpitandro ny filaminana. Tao anatin’ny fahatapahan-jiro no niseho ny fanafihana ary izany mainka koa aza izany nanamora ny asan’ny jiolahy. Nalain’ireo olon-dratsy ny volam-barotra izay azo iny andro iny. Tao anatin’izay anefa dia mbola nisy koa ny herisetra izay nitarika fahafatesana mihitsy aza. Notifirina ny mpivarotra ary tsy vitan’izany fa mbola norarafana tamin’ny basy koa ny manodidina. Teo no nahavoa ny mopera iray izay sendra nandalo teo anoloan’ilay toerana tamin’io fotoana io. Mbola tsaboina io farany ary arahi-maso akaiky ny fahasalamany. Poa-basy am-polony ny henon’ny olona teny an-toerana tamin’io fotoana io. Raha ny fantatra, avy amin’ny fanazavan’ny zandary, dia efa misy olona sivy eo am-pelatanan’izy ireo amin’izao fotoana izao. Omaly no navoaka tao amin’ny tranom-paty izy ary nisy ny fanomezam-boninahitra ara-miaramila izay natao. Nanampy betsaka tamin’ny fampandrenesana ny mpitandro ny filaminana ny fampiasana tambajotra sosialy tamin’ity indray mitoraka ity. Azo heverina arak’izany, raha eto an-drenivohitra sy ny manodidina aloha, fa afaka hasiana kaonty iray izay mifantoka amin’ny resaka fanafihana fotsiny ary mizotra mivantana any amin’ny mpitandro ny filaminana. Zavatra tsotsotra ohatr’izany dia efa tokony afaka mampihena ny ady tsy fandriam-pahalemana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici