Nisy namaky ny tranon-dry masera tetsy Soavimbahoka ny alahady lasa teo. Lehilahy sahirana iray, sahabo ho 51 taona, nihaodihaody tao amin’ity tanana ity no noahiahiana avy hatrany ary niantsoana pôlisy. Mbola tratra tany aminy ny solosaina sy ny finday roa, izay tsy hita tao an-trano.
Araka ny fanazavàna azo avy amin’ireo mpitandro filaminana dia olona sahirana efa zatra mpandeha ao amin-dry masera ity lehilahy ity. Efa matetika mihitsy izy no mankao, hoy hatrany ny fampitam-baovao, mba hangataka fanampiana. « Tamin’io alahady io anefa raha tonga hangataka fanampiana izy dia nandondona tao amin’ny biraon’ny masera tompon’andraikitra. Tsikariny anefa fa nisokatra ny varavaran’ny birao ary tsy nisy olona tao », hoy ny vaovao. « Tamin’izany indrindra izy no niditra ary nibata ny “ordinateur portable” iray sy finday avo lenta miisa roa nipetraka teo ambony latabatra. Nasitriny tao anaty akanjo ireo ary nikasa handositra izy ». Teny an-dalana hivoaka ny vavahady izy no nifanena tamina relijiozy iray. Ity farany nahita azy hafahafa sy nahatsikaritra ny fihetsiny rehetra no nisambotra azy ary nasaina navoakany avokoa ireo entana tao anaty akanjony. Taorian’izay no niantsoana pôlisy ity rangahy ity. « Nentina natao fanadihadiana ilay olon-dratsy. Niaiky ny helony avy hatrany moa ny tenany ary nilaza fa fakam-panahy no nanosika azy hanao izao asa ratsy izao », hoy ny fanazavàna azo.
m.L