- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmparafaravola : Roa lahy tamin’ireo efatra nitrandraka eladrano, maty tototry ny tany

Amparafaravola : Roa lahy tamin’ireo efatra nitrandraka eladrano, maty tototry ny tany

Nitrangan-doza namoizana ain’olona ny fitrandrahana eladrano (Mica), any amin’ny Kaominina ambanivohitr’ Andilana Nord, Distrikan’Amparafaravola. Mpitrandraka efa-dahy no tototry ny tany, afak’omaly,  tamin’ny roa ora tolakandro fotoana nisehoan’ny loza, ka roa tamin’ ireo mpitrandraka « Mica » no namoy ny ainy ; izay tavela tany anaty lavaka manana halalina 5 metatra. Raha ny fantatra, dia avy any Andaingo Distrikan’i Moramanga ny iray tamin’ireo namoy ny ainy, raha avy ao Ambohijanahary Amparafaravola kosa ny lehilahy faharoa maty. Araka ny tati-baovao voaray farany, tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia mbola miady mafy amin’ny fahafatesana ny mpitrandraka fahatelo tototry ny tany, izay avy ao Morarano Chrome. Voalaza, fa efa ho roa taona teo izay no  nisian’ity toeram-pitrandrahana eladrano ity, ary vao sambany no nitrangana loza toy izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici