- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihan-jiolahy tao Mananjary : Mpanolotsain’ny Kaominina teo aloha, maty tsy tra-drano voatsindrona...

Fanafihan-jiolahy tao Mananjary : Mpanolotsain’ny Kaominina teo aloha, maty tsy tra-drano voatsindrona antsy

Nitrangana fanafihan-jiolahy nitam-piadiana indray tany amin’ny Kaominina ambanivohitry Kianjavato, Distrikan’i Mananjary, afak’omaly naraina, tokony tamin’ny roa ora, tao amin’ny Fokontany Ambodibonary, ka raim-pianakaviana iray mpanolotsain’ny Kaominina teo aloha no maty tsy tra-drano voatsindron’ antsy. Araka ny tati-baovao voaray, dia maty novonoin’olon-tsy fantatra ny 30 Jolay 2016 ny vadin’ity lehilahy namoy ny ainy, izay namela kamboty telo ity. Taorian’ny fidinana nataon’ny Zandary avy ao amin’ny Kaompanian’i Mananjary sy ny Borigady Antsenavolo tany an-toerana, dia efa misokatra ny fanadihadiana lalina ataon’ny mpitandro filaminana mikasika an’ity vono olona miendrika valifaty ity, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici