- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversRamatoa nodidiana maty tao amin’ny hopitalibe Toamasina : Nitory ny mpandidy sy...

Ramatoa nodidiana maty tao amin’ny hopitalibe Toamasina : Nitory ny mpandidy sy ny mpitsabo noho ny tandraveka ny fianakaviany

Ny alahady maraina teo no niditra nodidiana teo amin’ny kibony ity ramatoa iray 46 taona, ka ny vadiny mihitsy no niandraikitra ny fanaterana azy nandritra ny fandidiana azy tao amin’ny hopitaliben’i Toamasina taoriana ny fandoavana ireo vola notakian’ny mpitsabo sy ny hopitaly. Maty anefa ity ramatoa ity taorian’ny fandidiana azy ary tsy nampilaza izany tamin’ny fianakaviany ireo mpandidy sy ny mpitsabo raha tsy efa alina ny andro, na efa hita ho tera-tsemboka ihany aza izy ireo taorian’ny fandidiana, satria efa nanomboka niova ny raharaha raha ny fahitan’ny fianakaviana niatrika ny zava-nisy. Tamin’ny 04 ora ilay ramatoa vao nivoaka ny efitrano fandidiana, nefa tamin’ny 11ora alina vao nilaza ny fahafatesany ireo mpitsabo, nefa efa nangatsiaka ilay faty tamin’izay. Nitory vokatry ny tandrevaka ireto fianakaviana ireto, satria tsy tokony hiteraka fahafatesana mihitsy ny fandidiana natao an’ity ramatoa ity raha ny filazan’ny mpitsabo sasany nanontaniana, satria fandidiana isan’izay tsotra no natao taminy. Nisy mpitsabo hafa mihitsy nanao fizahana ilay ramatoa maty ka nandritra izany no nahalalana fa tena tandrevaka tamin’ny mpitsabo no niteraka izao fahafatesana ho an’ity ramatoa ity izao. Ho hita eo izany ny tohiny satria tsy vao izao no nahitana fitarainana ataon’olona, na vitsy aza ny sahy mitory, fahafatesana hafahafa ao amin’ny hopitaliben’i Toamasina aorian’ny fitsaboana na fandidiana ataon’olona, na tsy tokony hiteraka fahafatesana aza ny zava-misy. Ho hita eo izany ny tohin’ny raharaha aorian’ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana sy ny tenin’ireo mpandidy sy ny mpitsabo ary ny holafitry ny mpitsabo ara-panjakana amin’ny fanazavana izay homen’izy ireo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici