Tranga nahavalalanina ny maro no niseho tao amin’ny Fokontany Sotema akaikin’ny garan-tsarety, tampon-tanànan’i Mahajanga, afak’omaly, tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany tolakandro. Olona mianaka izay tovolahy kely 6 taona monja, raha 39 taona kosa ilay rainy no niara-maty main’ny herinaratra tao amin’ny tokotanin’ny mpifanila vodirindrina taminy rehefa namoaka ny biby fiompiny (osy) tafiditra tao. Raha ny filazan’ny Fokonolona teny an-toerana, dia tafiditra tao anatin’ny tokontanin’ilay mpifanila vorindrina taminy ny osy, ka niditra tao ilay zaza naka ilay biby fiompiny, kanjo niraikitra tamin’ny « fil » nisy herinaratra. Nikiakiaka nitomany ilay zaza hitan’ny namany fa misy zavatra mitselatselatra ao amin’ny tendany, ka niantso avy hatrany ilay rainy. Nikoropoka avy hatrany hanavotra an-janany ity raim-pianakaviana, kanjo niara-niraikitra teo amin’ ilay « fil » izy mianaka ka niantsoantso vonjeo.
Nitangorona ny Fokonolona ka nampandre avy hatrany ny tao amin’ny trano nisy ilay herinaratra, fa hoe : vonoy ny « compteur » nareo ao fa misy zava-doza io, saingy tsy niraika akory ilay vehivavy lehibe voalaza fa tompon’ ilay trano, ka vatan-dehilahy vitsivitsy arak’ izany no niezaka nanifika ilay « fil » tamin’ny hazo lava hanavotana azy mianaka izay efa nitolefika, ary nentina avy hatrany namonjy toeram-pitsaboana tsy lavitra teo ireto mpianaka tra-doza, saingy efa tapitra ny ainy raha vantany vao tafiditra tao. Araka ny fanazavan’ny Fokonolona hatrany, misy sakoamanga maniry ao an-tokotanin’ ity nahitan-doza ity, ka ho fiarovany io voankazo io amin’ny mpangalatra dia nohodidininy « fil » misy herinaratra ny tokotaniny sy ny fototr’ io sakoamanga io. Omaly naraina, tonga teny an-toerana nizaha sy nanadihady ny zavanisy ny BMH sy ny avy amin’ny orinasa Jirama ary ny mpitandro ny filaminana. Ny razana kosa efa eo ampelantanan’ny fianakaviany.
Eric Manitrisa