Nandriaka ny rà tao Tanibe ao amin’ny kaominin’i Mananara Avaratra faritra Analanjirofo ny alarobia 13 febroary teo. Nofirafirain’ity tovolahy iray ny reniny antsoina hoe Zafiroa, taorian’ny fifohany rongony, raha nahare izany ireo mponina manodidina dia avy hatrany koa dia namono ity tovolahy ity tamin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka. Tsy sambany manao izao fifohana rongony izao ity tovolahy ity ka miteny azy foana ny reniny ka izao novonoiny izao ny farany fa mpiteny azy lava amin’ny fifohana zava-mahadomelina rongony ataony ity. Raha ny fanazavana azo, dia tsy nananan’ity tovolahy ity antra mihitsy ny reniny na efa niantso vonjy sy nitalaho taminy aza fa nofirafirain’ny antsy hatrany, ka tsy namely raha tsy tapitra ny ainy tamin’izany. Araka ny angom-baovao koa dia tsy nisy fifamaliana teo amin’izy mianaka ireto talohan’izao raharaha izao, fa avy hatrany vao niditra ny trano ilay tovolahy dia nanao izao tetika hamono ny reniny efa nomaniny izao avy hatrany. Niezaka ny nitsoaka ihany ity tovolahy antsoina hoe Mananjara Gilbert ity taorian’ny famonoana feno habibiana ny reniny, saingy tsy ela akory taorian’izay raha nokarohan’ny fokonolona tao an-tanana dia tratra ihany ny tenany ary izao niharan’ny fitsaram-bahoaka izao koa ary tsy nitsahatra ny olona raha tsy afaka ny ainy. Na izany efa manao fanadihadiana ny raharaha ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.
Malala Didier