Efa manodidina ny 12 tapitrisa ariary mahery any ho any no azon’ity ramatoa mpisoloky iray, tamin’ireo olona lasibatra am-polony mahery tany ho any, ary dia izao izy tratra izao. Voasambotry ny polisy teny Alasora ny alarobia lasa teo ity ramatoa iray ity; izay raha ny fanazavana azo dia efa mpamerin-keloka ary ataony fivelomana mihitsy ity misoloky olona ity.
Mafy tokoa ny fiainana amin’izao ka antony iray manosika ny olona hitady asa hatraiza hatraiza. Izany indray anefa no nohararaotin’ity ramatoa ity hitadiavam-bola ary hakana vola eny fa hatramin’ireo olona izay azo lazaina, fa sahirana ara-pivelomana aza. Milaza ho mahatafiditra mpiasa amin’ireny orinasa afakaba ireny mantsy ny tenany, na amina orinasan-tserasera iray eto an-drenivohitra. Manodidina ny roa alina ariary ka hatramin’ny telo hetsy ariary araka izany ny vola alaina amin’ireo olona solokiany. Rehefa mandeha anefa ny fotoana, dia tsy hita ihany izay olona voaray hiasa. Rehefa mitaky ny hamerenana ilay vola ireo olona voasoloky, dia lasa indray izy mitady olona hosolokiana hafa, hangalany vola hamerenany ilay teo aloha. Dia toy izany hatrany. Hany ka nametraka fitoriana avy hatrany ireo lasibatra ary izao niafara tamin’ny fisamborana azy izao. Efa nandeha moa ny famotorana sy fakàna am-bavany ity mpisoloky « gaigivavy » ity ataon’ireo pôlisy eny amin’iny faritra Alasora iny.
m.L