Taorian’ny fanafihan-dahalo nitranga tao amin’ny Fokontany Ambalanomby ao an-tampon-tanànan’i Solila, Distrikan’ Ikalamavony, ny alin’ny talata teo, tokony ho tamin’ny folo ora latsaka fahefany, izay nahavery omby 60 , dia dahalo iray no azo sambo-belona taorian’ny fifandonana nisy, miala 15 km ny renivohitry ny Kaominina. Rehefa avy naseho vahoaka ity malaso tra-tehaka ity, dia notapahina ny lohany sy ny tanany ilany, avy eo navelina imasom-bahoaka teo amorom-bala, mba ho anatra ho an’izay halaim-panahy mbola hanao dahalo. Araka ny tati-baovao voaray, tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo omby rehetra norobain’ny dahalo. Mbola karohina fatratra atao hazalambo kosa hatramin’izao ireo dahalo tafaporitsaka namin’ity mpanani-bohitra namoy ny ainy niharan’ny fitsaram-bahoaka ity.
Eric Manitrisa