Entona maha-sempotra na “big boss”. Io ilay tao anaty harona mavomavo izay hita tamin’ny horonan-tsary nandritra ny fisamborana an’i Jean Eddy Maminirina tetsy amin’ny tokotanin’ny La City. Tany amin’ny mpiambina azy io no nalaina ary nafeniny tao anaty akanjo. Telo ny “big boss” izay hita ary nogiazan’ny polisy. Etsy andanin’izay, mbola nahitana basy poleta roa miaraka amin’ny bala 9mm koa tany amin’ireo mpiambina manokana azy. Zandary avy eo amin’ny GSIS, raha araka ny fanamarinam-baovao natao, ny iray amin’ireo mpiambina. Nisy ihany ny saika famaliana saingy rehefa voaambana tamin’ny basy kalachnikov ireo mpiambina avy hatrany dia nilefitra ary natory tamin’ny tany. Teo no natao ny fisavana azy ireo ary koa ny fisavàna ny fiara roa tsy mataho-dàlana, Dodge sy Jeep. Ny momba ireo olona ireo, dia avy hatrany dia navotsotra izy ireo rehefa voasambotra ny mpampiasa azy. Ny basy izany dia mety haverina any amin’ny toby izay hiasan’ilay zandary raha toa ka voamarina fa ara-dalàna ny taratasy nanome alàlana azy ho mpiambina manokana an’i Jean Eddy Maminirina. Raha tsy izay dia mety hitarika olana hafa koa, satria misy ny fitazomana basy tsy ara-dalàna, indrindra koa basy tsy misy feo na misy “silencieux” ny iray amin’ireo nogiazana.
D.R