Noho ny firongatry ny valan’aretina kitrotro mamono zaza maro latsaky ny sivy taona, any amin’ny distrikan’i Sambava, dia miaina ao anaty horohoro saika isan’andro ny mponina, indrindra ireo any ambanivohitra tany lavitra andriana, toy any amin’ny kaominina Amboangibe. Raha ny fantatra, zaza manodidina ny 3 300 no tandindonin-doza amin’ny kitrotro. Rehefa nahazo baiko sy toromarika avy amin’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka mba hijery haingana ary handray an-tànana ireo marary ny ekipan’ ny Fahasalamam-bahoaka ao Sambava, notarihan’ny « Médecin Inspecteur » Dr Volamiharana Adélaïde, dia nanao be midina tany an-toerana nanomboka ny alakamisy lasa teo, ary raikitra ny fanaovam-baksiny manonkana nifarana omaly. Tokony amin’ny volana martsa ho avy izao ny anjaran’ny distrikan’i Sambava, satria mbola mikatso any Ambilobe hatramin’ izao ireo fanafody avy amin’ ny fitondram-panjakana noho haratsian’ ny lalana iaraha-mahita.
“Tsy mazoto manatona tobim-pahasalamana ny mponina. Nandritra ny fidinanay, tao amin’ny fokontany Andravitokana, izay 4km miala avy ao Amboangibe”, hoy ny Dr Volamiharana Adélaïde, nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny birao fiasany, dia mbola nahita zaza 19 ao anatin’ny tapak’ andro tratran’ny aretina kitrotro izahay, ary ao anatin’ny iray andro zaza efatra no maty. Ny mahatonga an’ io fiakaran’ny tahan’ny zaza maty io, hoy hatrany ity mpitsabo ity nanohy ny fanazavany, dia 90% ny zaza ao tsy vita vaksiny avokoa, ary faharoa tsy mazoto manatona tobim-pahasalamana ny mponina, porofon’ izany ireo ankizy 23 maty ireo, dia saika tany amin’ ny fiarahamonina avokoa.
Eric Manitrisa