- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Miparitaka ny Vcd piraty « Adisanina be galona »,...

Toliara : Miparitaka ny Vcd piraty « Adisanina be galona », 2 000Ar ny kapila iray

Lalim-paka ve ny fahantrana sa ny fampiharana ny lalàna velona misy eto amintsika no goragora ka migalabona ny mpanao ratsy ? Vao nivoaka ny talata 27 mey teo ho azo jifaina manerana ny nosy ny horonantsary « Adisanina be galona » novokarin’ny « Scoop Digital » dia efa vita piraty, io andro io ihany, ary miparitaka sy amidy eny rehetra eny. Roa arivo ariary ny Vcd hosoka iray, raha Ar 4 500 ny orizinaly. Ifandrombahan’ny olona ity « Adisanina 2 » ahitana an-dRajao sy ny tariny ity. Mandeha ny tsena tao anatin’ny telo andro, hoy ireo mpivarotra kapila hosoka. « Ambany ny fahefa-mividin’ny mpanjifa mpankafy, te-hiala voly ny mpianakavy, ka tsy mijery kalitao intsony fa mividy na dia hita izao aza fa vola an-tapitrisany mahery no lanin’ny trano mpamokatra vao mahavita horonantsary iray toy izao », hoy ity ramatoa iray tsy naka sarotra. Tsy ela fiasa ny mpanao hosoka ao Toliara.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser