Isan’ny tena hahazoan’ny polisy fitarainana maro sy fitoriana saika isan’andro ny resaka halatra sy fanendahana moto scooter eto Toamasina. Efa ela no nikaroka ny tena antony sy ireo tamba-jotra ao anatiny ny polisy ary miha-mody ventiny ny rano nantsakaina izao. Tamba-jotra ao anaty halatra moto scooter no saron’ny polisy izao izay miisa 8 izy ireo, saingy mbola ny 7 no tratra tao amin’ny Cité HarasToamasina; ny iray mpitahiry ny kojakoja alain’izy ireo amin’ilay moto, ny 4 mpangalatra moto no asany, ny 2 mpanera ary ilay iray mbola karohana dia mpivarotra ary mpiray tendro amin’izany mpiasan’ny kaominina mpanamboatra ny taratasy izay mbola hohamarinina izany. Nandritra ny fisamborana sy ny fisavana azy ireo dia nahitana moto avy nangalarina sy kojakojana moto maro be ary taratasy na moto eo am-pamenoana ho an’ireo mpividy moto amin’izy ireo tao amin’izy 7 lahy tratra ireto. Karazana moto mora ovaina sy avadika ho kojakoja samihafa ny moto Scooter eto Toamasina, ka hatramin’ny fitobahan’izany teto Toamasina dia mitombo hatrany koa ny halatra sy fanendahana azy ataon’ireo tamba-jotra mpanao izany. Ny sabotsy teo no niakatra fitsarana izy 7 lahy ary nahazo famonjana vonjimaika ao Ambalatavoahangy avy hatrany. Ankoatra izany dia efa miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy koa ireo mifaningotra tamin’ilay resaka basy kalaky telo sy PA iray ary balamaro be tratra farany teo. Miisa 08 izy ireo no niakatra fitsarana raha ny vaovao ka ny 6 no nahazo famonjana; izay vehivavy 2 raha 4 kosa lehilahy; mbola tena karohana fatratra kosa ireto telo lahy jiolahy mpampiasa ny basy.
Malala Didier