- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidrapeto : Raikitra ny fifampitifirana

Ambohidrapeto : Raikitra ny fifampitifirana

Manodidina ny tamin’ny 11 ora sy sasany alina no nanakoako ny feom-basy. Fololahy izay tsy misaron-tava, raha araka ny tatitry ny polisy, no nanafika tokantrano telo izay tsy mifanalavitra teo Ambohidrapeto. Lasa ny vatafahitalavitra, ny firavaka volamena maro, ny finday ary koa ny vola izay mitentina 300.000 ariary. Soa fa nahavita niantso haingana ny polisy anefa ny manodidina ary vetivety dia tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana. Raikitra teo ny fifampitifirana satria tsy nanaiky mora foana ireo jiolahy. Tao antin’izany  no nisy iray tamin’ny olon-dratsy no lavo teo an-toerana. Tao anatin’ny haizina dia nisy koa olona iray avy amin’ny andrimasom-pokonolona izay naratra voatifitra. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly izy ary mbola manaraka fitsaboana any.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici