Niakatra fampanoavana ny zoma 30 may 2014 lasa teo ireo jiolahy telo lahy voasambotry ny fokonolona tao Mateloana, distrikan’i Betafo.
Raha tsiahivina, ny hotely Voahirana, hotely isan’ny goavana indrindra ao Mateloana no nisy nanafika ny alin’ny zoma faha 23 may lasa teo. Telo lahy mitam-basy no nanao ny fanafihana ka lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola 3 tapitrisa ariary. Tsy nampoizin’ireo jiolahy anefa fa nanao fanarahan-dia ny fokonolona niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Nofefen’ny zandary avokoa ny manodidina ny tanàna, nasiana sakana ny tanàna rehetra mifanakaiky tao Mateloana. Ny marainan’ny fanafihana ihany dia voasambotra tao Masoandronarivo izy telo lahy ireto, izay niharan’ny fitsaram-bahoaka, ka saika maty avokoa raha tsy tonga aloha ny mpitandro filaminana. Niteraka sakoroka tao Mateloana mihitsy ny zava-nitranga satria nosakanan’ny fokonolona ny lalana nizoran’ny zandary nitondra azy telo lahy ka voatery nanapoaka grenady mandatsa-dranomasy mihitsy.
Nambaran’ny kaomandy mpifehy vonjimaika ny borigady ao Betafo fa telo lahy ihany no nanao fanafihana tamin’io fotoana io, saingy mba hiarovan’izy telo lahy ny ainy dia voetery nandainga tamin’ny fokonolona ry zalahy nilaza fa folo no isany. Mba hitadiavana ireo namany mbola tsy hita dia voetery narovana ny ainy. Fantatra ihany koa fa vola 4 hetsy ariary sisa azo tamin’izy telo lahy ireto ary basy kilalao iray fa ny basy tena izy tsy hita hatramin’izao.
Andry N.