Isan’ny toerana iray ankafizin’ny mpifankatia tokoa raha iny moron-dranon’i Marais Masay iny, na io ilay vao maraim-be manararaotra ny hoe mody mandeha mihazakazaka iny na ilay efa somary harivariva maty masoandro iny, eo ambany mason’ireo … mpanendaka.
Lasibatra indray tokoa mantsy amin’izao ireo olon-droa mampiaraka amin’iny faritra iny, izay haza mora jonoina tokoa ho an’ireo olon-dratsy. Mazana ireto farany no miaraka maromaro ary misy mihitsy ny mandeha kodiaran-droa manao ny asa ratsiny. Ary tsy vitan’ny manendaka fotsiny ireto andian’olon-dratsy ireto, fa tena mamono mihitsy. Manoloana izany moa, dia efa nisy ny fepetra noraisin’ireo mpitandro filaminana, hiarahan’izy ireo miasa amin’ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana eny an-toerana. Nahitam-bokany izany. Ny fetin’ny mpifankatia lasa teo tokoa dia voasambotra ny iray tamin’ireo mpanendaka mandeha môtô ireo, teny amin’iny faritra Ivandry iny. Lehilahy 28 taona izy io, ary efa raindahiny tanteraka amin’ny fanendahana sy halatra eny amin’ireo faritra ireo. Tamin’ny fanadihadiana azy, araka ny tati-baovao azo avy tamin’ny polisy, dia fantatra fa izy ireo sy ny namany no tompon’antoka tamin’ilay fanindronana antsy mpifankatia teny an-toerana, rehefa avy nendahiny sy nalain’izy ireo ny zavatra teny aminy. Mbola vao ity lehilahy ity no voasambotra araka ny fanazavana azo hatrany, saingy efa mandeha kosa ny fikarohana ireo namany hafa.
m.L