- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversVohémar - Mitaraina ny vahoaka noho ny afitsoky ny manampahefana iray

Vohémar – Mitaraina ny vahoaka noho ny afitsoky ny manampahefana iray

“Isan’ny velontaraina ny solombavambahoaka teo aloha Atoa Edizard

« Rahoviana ihany vao hisy tompon’andraikitra ambony hizaha ifotony izao zava-mampahory mahazo ny mponina izao ». Izany no fanontaniana apetraky ny vahoakan’i Vohémar manoloana ny antsojay ataona tomponadraiki-panjakana ambony iray any an-toerana. Araka ny tatitra voaray avy tamin’Atoa Edizard, solombavambahoaka teo aloha ,dia  maro loatra ny zavatra tsy ara-dalàna ataon’io tomponandraiki-panjakana voalaza io. Isan’izany ohatra ny fakàna an-keriny tanànam-bahoaka  ao amin’ny Fokontanin’i Manakana  na koa fandravana ny tany fivelomana mpandraharaha ao amin’ny Fokontany Analovana.  Tsy vitan’izany,fa misy ihany koa famindran-toerana tsy ara-dalàna natao tamin’ny mpiasan’ny RNM ao Vohémar, noho ity farany namoaka am-baovao ny fitarainan’ny vahoaka. Tsy vitan’izany, fa araka ny tatitra ihany dia misy fangalana vola ankoatra ny hetra ara-dàlana tanterahan’ity tomponandraikitra voalaza ity. Misy fandrahonana ataony amina Ben’ny Tanàna tao amin’ny Kaominina Ampisikina mikasika ny fandoavan-ketra ; izay tokony homena trano fandraisam-bahiny. Araka ny voalaza ihany ,dia zara raha manao ny asany ity tomponandraikitra ity, satria amin’ny 11 ora izy vao miditra birao ny maraina ary amin’ny dimy ora ny hariva.  Sahirana araka izany ny vahoaka,  satria tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny raharaham-panjakana any an-toerana, noho ny afitsok’ity tomponandraikitra izay ikoizan’ny olona ihany koa ny tsy fanajana vahoaka ataony. Manoloana izany, dia mitaky ny hamindrana toerana tsy misy hatak’andro ity tompon’andraikitra ity ny vahoaka any an-toerana. Sokajian’izy ireo ho “fahavalom-bahoaka”  tsotra izao  ity manampahefana ity.

R.Edmond.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici