Noho ny firongatry ny asan-dahalo sy ny tsy fandriampahalemana nanao sesilany tato ho ato any amin’ny distrikan’i Manja, faritra Menabe, dia miaina tanteraka ao anaty horohoro ny mponina, ka amin’ny efatra hariva dia samy mitady toerana hisitrihana any anaty ala avokoa ny olona. Noho ny tahotra, tsy misy fivelomana azo atao mihitsy, fa miraviravy tànana tanteraka ny vahoaka. Afak’omaly naraina, tokony ho tamin’ny iray ora, andian-dahalo 35 lahy nitam-piadiana no nanafika tao an-tanànan’i Tsaroanala, ka lasa tamin’izany ny omby 30 isa mahery niampy ny kojakoja an-tokantrano rehetra. Tsy vitan’izay ihany fa mbola nitondra olona sivy teo an-tanàna natao takalon’aina ireo mpanani-bohitra, raha ny vaovao voaray. Avy hatrany dia nandray andraikitra ny mpitandro filaminana (Zandary sy Polisy) any an-toerana nanampy ireo fokonolona tamin’ny fanarahan-dia.
Eric Manitrisa