- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatofotsy-Maevatanàna : Tokatantrano voatafika tompon-trano iray naratra voatifitra

Ambatofotsy-Maevatanàna : Tokatantrano voatafika tompon-trano iray naratra voatifitra

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambatofotsy, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna voalohany, ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany alina.Tokantrano iray no lasibatry ny asa ratsy tamin’io ora voalaza etsy ambony io. Ka ankoatra ny omby telo lasan-dry zalahy, dia voatifitra teo amin’ny tongony ihany koa ny tompon-trano iray. Jiolahy maromaro tsy voafaritra isa tsy nisy nanao saron-tava nitondra basim-borina sy zava-maranitra no tongo nanao ny asa ratsiny teny amin’ny fokontany Ambatofotsy tamin’io fotoana io. Nanao izay fomba nahafahana niditra tao anaty trano ireo olon-dratsy sady niteny hoe androany no farany ahitanao masoandro Atoa Rakotondralojy, hoy ireo malaso tamin’ny tompon-trano. Taitra ny tao an-trano raha naheno ny fidirana tampoka tao an-trano, sady namaha ny varavarana, ka teo no nahavoatifitra an’ilay rangahy. Tampoka  be tamin’izy ireo ny zava niseho ka tsy afaka niaro tena ireto farany. Tsy nisy sahy namaly ihany koa, voafehin’ireo jiolahy tanteraka ny fanafihana nataony. Izao nahazoan-dry zalahy omby telo tao am-bala izao. Lasa nandositra ireo dahalo taorian’ny asa ratsiny. Efa nampandrenesina ihany koa ny zandary, ka tonga nanao  ny fizahana ifotony teny amin’ilay toerana voatafika. Ilay tompon-trano voatifitra kosa efa nentina notsaboina eny amin’ny hopitaly be Morafenokely. Mitohy hatrany ny famotorana ataon’ny zandary mkasika an’ity fanafihana ity.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici