- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato-Anosipatrana : Namono olona sy nandratra ny taxi-be omaly

Anosizato-Anosipatrana : Namono olona sy nandratra ny taxi-be omaly

Ny loza voalohany tetsy amin’ny fasan’ny karàna. Omaly antoandro no nandona vehivavy iray izay maty tsy tsa-drano ny zotra iray miloko maitso. Mbola nandratra olona roa koa izany tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Mbola omaly koa no nisy iray hafa nifatratra teo amin’ny andrin-jiro teo Anosipatrana. Raha ny fitantaran’ny olona dia nisy naratra koa vokatr’izany. Na inona na inona mety ho anton’ny loza dia tsy azo lavina intsony fa misesy loatra ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny taxi-be eto an-drenivohitra. Eo ihany ny olana ara-teknika fa kosa ny tsy fahatsapan-tenan’ireo mpamily sy ny resevera matetika no tena mitera-doza. Toa ilay teo Anosipatrana, nambaran’ny olona nahita fa noho ny fifanenjehan’ny samy taxi-be mitovy zotra no nahatonga ny iray nifatratra tany amin’ny andrin-jiro. Raha tsy teo aza izany no nidona dia mazava ho azy fa tany an-tanimbary avy hatrany. Ankehitriny dia toa lasa manana kisary vatam-paty mandehandeha ny taxi-be eto amintsika. Be loatra ny loza aterany ary rehefa tsy izany indary dia ny tsy fanarahan-dalàna sy ny tsy fanajàna ny mpandeha no miverimberina. Isan’andro dia tsy maintsy misy hatrany ny fitarainana ataon’ny olona mahakasika izany, indrindra eny amin’ny tambajotra sosialy izay mba hany sisa hahafahana maneho ny alahelo ho an’ny maro. Inona tokoa moa no tsy tokony hanasiana sampana fanaraha-maso ny taxibe ka hahafahan’ny manam-pahefana mandray andraikitra avy hatrany ho an’ireo izay tsy manara-dalàna, toy izay efa mandeha amin’izao fotoana amin’ny sehatra sasany?

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici