- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversRoger Lala Stéphanie : Naverina eto Antananarivo indray

Roger Lala Stéphanie : Naverina eto Antananarivo indray

Fonja telo sahady izay no efa nitondrana an’i Roger Lala Stéphanie (RLS), voasazy mandra-pahafaty rehefa voarohirohy tamin’ny raharaha fakana an-keriny an’i Annie sy Arnaud. Ireo farany dia ireo zaza tsy ampy taona izay novonoina ny iray voalohany ary notazomina amam-bolana maro kosa ny faharoa ; izay vao avotra. Raha ny fanamarinam-baovao  natao, dia naverina teto an-drenivohitra ary notazomina ao amin’ny fonjan’Antanimora avy hatrany i RLS nanomboka ny alatsinainy teo. Zony ny mangataka fifindrana fonja, saingy toa midika ho tsy fahamatorana avy amin’ny mpanapa-kevitra kosa ity famindrana azy in-droa miantoana ity, ao anatin’ny volana vitsivitsy. Na ny fandehanany tany Antsiranana aza dia tsy nisy nahafantatra na ny mpiandry fonja . Izy efa tonga tao an-toerana, naterin’ny mpitandro ny filaminana izay nisahana ny fiarovana, izay vao samy talanjona ny rehetra. Nifandraika rahateo tamin’ny nisian’ny fakàna an-keriny tao Antsiranana ny fahatongavany, ny alin’iny mantsy, dia efa nisy “kidnapping” izay niseho. Vao mainka koa nitodika tany Antsiranana ny maso ary nanara-baovao ny olona no sady nanontany tena raha misy ifandraisany na tsia ny fahatongavan’i RLS tao an-toerana sy ilay kidnapping izay nitranga.  Baiko avy amin’ny fitondram-panjakana vaovao no nilatsaka ary namerenana azy etsy Antanimora; izay mety ho fanapahan-kevitra farany tsy hahafahany miova fonja intsony. Toa nenjehina mihitsy mantsy ny fotoana izay mbola tsy nitsanganan’ny fitondrana vaovao mba namindrana azy tany Antsiranana. Kanjo izao naverina eto an-drenivohitra izao indray. Mbola maro ny olona miriaria any kanefa tompon’antoka tamin’ny kidnapping ireo mpianadahy. Misy enina eo izy ireo no mahita miriaria eran’Antananarivo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici