- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnivorano –Est : Kandidà solombavambahoaka ny ben’ny tanàna Mamitiana Razafinantoanina

Anivorano –Est : Kandidà solombavambahoaka ny ben’ny tanàna Mamitiana Razafinantoanina

Nampahafantatra ny fahavononany hirotsaka hifaninana hofidina solombavambahoaka ao amin’ny distrikan’i Brickaville ny ben’ny tanànan’Anivorano Est, Mamitiana Razafinantoanina, ho setrin’ny fangatahan’ireo Raiamandreny sy solontenam-pokonolona avy amin’ny kaominina rehetra tao anivon’io distrika io azy. Isan’ireo ben’ny tanàna tanora indrindra ao amin’ny distrikan’i Brickaville  Anivorano-Est nefa naharesy lahatra ny vahoaka tao anatin’ny distrika iray manontolo ny zava-bitany teo amin’ny fampandrosoana ny faritra iadidiany ka nahatonga ny fanosehana azy ho amin’io sehatra mivelatra kokoa io, hiarahan’ny rehetra mahazo tombontsoa avy amin’ny asany. Nohadiana nialohan’io lanonana io ny fototry ny trano famakiam-boky vaovao, tao amin’ny kaominina Anivorano-Est, vokatry ny famadihana ho asa avy hatrany ny tamberim-bidy vao narotsaky ny orinasa Ambatovy. Nahazo fankasitrahana manokana tamin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana koa ity ben’ny tanàna ity, noho ny fanomezany lanja manokana ny fitantanana ara-tontolo iainana  tao an-toerana.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici