- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra Menabe : Manafika ny andiam-balala kijeja, mihorohoro ireo tantsaha mpamboly

Faritra Menabe : Manafika ny andiam-balala kijeja, mihorohoro ireo tantsaha mpamboly

Taorian’ ny ranobe nateraky ny andro ratsy farany teo iny, izay narahan’ny hafanana be mananika ny 40°C, dia manafika any amin’ny Faritra Menabe indray koa izao ny andiam-balala kijeja maro, ka nahitana izany afak’ omaly, tamin’ny lalana mihazo an’i Belo Tsiribihina (Toby Betesda), « Allée des Baobabs », Bekonazy, . . . Manahy mafy ankehitriny ireo tantsaha, fa hihanaka ireto andiam-balala ireto raha tsy voafehy haingana, ka hamotika ny fambolena sisa tsy simban’ny rano, ary hiteraka mosary, hoy ny mponina. Raha ny tati-baovao voaray teo anivon’ny Faritra Menabe kosa, dia efa tany amin’ny 5 febroary lasa teo ireto andiam-balala ireto no efa hita. Taorian’ny fitsirihana nataon’ny avy tao amin’ny Ivon-toerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara (IFVM), dia efa manatanteraka ny fandarofana an’ireo andiam-balala ny « équipes mobiles d’intervention » roa, nanomboka ny faran’ny herinandro teo, ary nomarihan’ny IFVM, fa tsy maintsy nihodina tany Antsirabe ireo « équipes » ireo noho ny haratsian-dàlana, ka nahatonga ny fahataran’ny famonoana an’ireo kijeja.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici