Ny zoma hariva teo no nanao ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao ny mpampianatra rehetra sy ireo sekoly miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, lanonana natao tao amin’ny kianja mitafon’i Soavita. Nandritra izany no nisaoran’ny Cisco Toamasina I niaraka tamin’ny talen’ny fanabeazana atsinannaa (Dren) ireo mpianatra mendrika telo sy ireo sekoly mendrika ny taona lasa tamin’ny voka-panadinana ara-panjakana teto Toamasina I. Raha ny teo amin’ny CEPE dia ramatoakely Rasoandreo mpianatry ny “terre des enfants” nahazo ny naoty 19,65/20 no mendrika voalohany, teo amin’ny BEPC Atoa Rakotoarisoa Anthony Vianney mpianatry ny “Ceg de Référence” nahazo ny naoty 18,89/20 no mendrika tamin’izany, ary ny teo amin’ny BACC ramatoakely Rasolofondraibe Candy mpianatry ny “lycée J. Rabemananjara” nahazo ny naoty 16,81/20 no mendrika tamin’izany. Raha ny teo amin’ny sekoly kosa dia saika sekoly katolika avokoa ireo mendrika, satria dia ny sekoly Notre Dame de Lourde Anjoma – sekoly Sacré Coeur Tanambao V – ary sekoly Saint Joseph Ampasimazava no be afaka CEPE ny taona lasa izay 100% avokoa, ary sekoly Lycée La Salle, Stella Maris teio aloa ny teo amin’ny BEPC sy ny BAC. Nilaza ny Cisco Toamasina I sy ny Dren atsinanana fa mbola hohatsaraina izany amin’ity taona ity, satria efa matotra sy tsara ny fiaraha-miasa eo amin’ny sekoly sy izy ireo ankehitriny.
Malala Didier