- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMahabo : Mpampianatra talen’ny Epp notafihan’ny dahalo tao an-tranony, vaky loha sy very...

Mahabo : Mpampianatra talen’ny Epp notafihan’ny dahalo tao an-tranony, vaky loha sy very fananana

Rehefa mihalany sy miharitra ny omby, dia miroso amin’ny hala-botry sy vaky trano indray amin’izao ireo dahalo mitam-piadiana, any amin’ny Distrikan’i Mahabo, Faritra Menabe. Ny alin’ny zoma teo, tokony ho tamin’ny valo ora, tokantranona mpampianatra iray, izay Talen’ny Epp Ampandrabe, any amin’ny Zap Ankilizato, Cisco Mahabo, notafihan’ny andian-dahalo, ka lasa avokoa ny entana rehetra tao an-trano niampy ny akoho amam-borona tao am-pisoko, rehefa voavely tavoahangy teo amin’ ny lohany, ka naratra mafy ity raim-pianakaviana mpanabe ity. Tsy vitan’izay, fa mbola noentin’ireo dahalo nataon’ izy ireo mpitari-dàlana hivoaka ny tanàna ny zanany lahy. Rehefa tafavoaka ny tanàna ireo mpanahi-bohitra avy nandroba, dia naverin’izy ireo ilay zaza. Nalefa haingana notsaboina tany amin’ny CSB II Ankilizato kosa ity mpampianatra izay nahitana fery maro teo amin’ny lohany ity, ary efa mihatsara ny toe-pahasalamany, raha ny nambaran’ny mpitsabo nandray an-tànana ny fikarakarana an’ity talen-tsekoly ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici