- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-Divers Sambava : Ramatoa mpampianatra kilasy CP1, nisy nanompa tamin’ny solaitrabe tao an-tsekoly

 Sambava : Ramatoa mpampianatra kilasy CP1, nisy nanompa tamin’ny solaitrabe tao an-tsekoly

Trangam-piarahamonina nahavalalanina ny maro izay mandratsy endrika ny fiarahamonina sy ny fanabeazana no niseho tamina sekoly iray tany amin’ny Distrikan’i Sambava, ny herinandro teo, satria ramatoa mpampianatra CP1 iray no nisy nanompa tamin’ny teny mamoafady tamin’ny solaitrabe. Taorian’izay, dia nangataka ny tsy hampianatra ilay mpanabe raha tsy hita ny nahavanon-doza. Nanaitra ny maro izany, ka raikitra ny savorovoro. Voatery navory haingana ny solonten’ny Ray aman-dreny sy ny mpampianatra  efatra tao amin’ity sekoly ity.

Ankizilahy 13 taona no nahavanon-doza. Efatra andro taty aoriana, noho ny loharanom-baovao marim-pototra avy tamina ankizy iray, dia tra-tehaka ny nahavanon-doza, izay ankizilahy sahabo 13 taona eo. Rehefa nofotorana mafy ity voarohirohy, dia niaiky ny heloka vitany, ary nibaboka fa diso teo anatrehan’ ilay Ramatoa mpanabe. Ny tena nahagaga ny maro, dia tsy mpianatra tao amin’ ity sekoly tsy misy hidim-baravarana ity ny nahavanon-doza, fa monina amin’ny faritra misy ny sekoly fotsiny, ka nandritra ny firavan’ny mpianatra ny hariva no nanoratan’ ity ankizy lahy ity ireo soratra feno ompa tsy faseho masoandro ireo. Araka ny tati-baovao voaray, ny alakamisy teo, tao Andrembona, no nanaovana ny raharaham-pihavanana (fanadiovana, hala fady) teo amin’ny Ray aman-drenin’ ilay zaza nania sy ilay Ramatoa mpanabe.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici