- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversParaky : Efa ny olon-tsotra no manao ny fisavàna amin’ny alina

Paraky : Efa ny olon-tsotra no manao ny fisavàna amin’ny alina

Nanapa-kevitry ny niditra an-tsehatra ny olona manoloana ny firongatry ny fanafihana mitam-piadiana eo amin’ny fokontany Andrefan’i Mananjara. Efa nanao antso avo izy ireo ny amin’ny mba hitodihan’ny mason’ny mpitandro ny filaminana amin’io toerana io. Isan’ny fitakiana ny mba hanasiana paositra miasa andro aman’alina eo an-toerana, saingy tsy tanteraka izany hatram’izao. Vokatr’izany rehetra izany dia ny vatan-dehilahy izay nivondrona ao anatin’ny fikambanana iray no manatontosa ny fisavàna amin’ny alina ao anatin’ny tanàna. Izany hoe ireo olona mivezivezy amin’ny alina ka ahiahian’izy ireo dia savaina avy hatrany ny taratasiny sy ny entany. Ankoatr’izay, izy ireo koa no mitsirika ny fivezivezin’ny olona sy ny fihetsiky ny samy iray tanàna. Izany fahamailoana izany dia hahafahana mijery izay mety ho olon-dratsy ao an-toerana. Matoa mantsy miroborobo ny sy fandriam-pahalemana dia mety ho avy eo an-tanàna ihany no misy mpanome vaovao ny jiolahy. Toe-javatra izay nisy hatramin’izay izany. Nandray andraikitra izany ny mpiray fikambanana ary nanapa-kevitry ny hiaro ny tanàna. Zavatra roa hatrany no ahiana rehefa misy ny toa izao. Ny voalohany dia raha sendra tokoa ny jiolahy mitam-basy dia asa izy mety hitranga ary dia ho lasa mpanao vy very ny ainy ireo olona raha sanatria tokoa. Ny faharoa indray dia ny mety hihoaran’ny sasany fefy. Efa tokony ho andraikitry ny mpitandro ny filaminana mantsy io hataon’ny olon-tsotra io saingy rehefa tsy hita iretsy voalohany dia tsy maintsy mandray andraikitra iretsy farany. Mila fandanjalanjana sy fifampifehezana mafy arak’izany. Ny tena tsara dia tsy misy afa-tsy ny famaliana ny antson’ireo vahoaka dia ny fanasiana paositry ny mpitandro ny filaminana eo an-toerana na farafaharatsiny hamafisina ny fisafoana izay hatao isan’alina. Tsiahivina fa efa nahafaty olona, ary vao tsy ela akory izay, ny tifitra nataon’ny jiolahy teo Ouest-Mananjara.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici